]
Les quotidiens du 25 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Mialy Rajoelina à Vatomandry et Fénérive-Est : Internet pour les maisons des jeunes

Mialy Rajoelina à Vatomandry et Fénérive-Est : Internet pour les maisons des jeunes

Josie Randriambeloma (Directrice des Relations publiques-Orange), Mialy Rajoelina (Présidente-Association Fitia), Tiana Jacques Ulrich (Ministre de la Jeunesse et des Loisirs)

Les 15 et 16 mars 2012, Mialy Rajoelina, Présidente Fondatrice de l’association Fitia et Première Dame de Madagascar a effectué un déplacement avec les membres de l’association.


CLIQUEZ ICI POUR LE REPORTAGE VIDEO EN FRANÇAIS

Au programme, visite des hôpitaux, consultations médicales gratuites et dons divers aux couches les plus démunis.

A l'hôpital de Vatomandry

A l'hôpital de Fénérive-Est

Mais l’importance de ce déplacement dans l’Est de la Grande île, reposait sur le lancement de la connexion à Internet dans les Maisons des Jeunes de ces deux localités.

Cela a pu se faire grâce au partenariat de l’association Fitia avec Orange Solidarité Madagascar, la Fondation Orange et le ministère malgache de la Jeunesse et des Loisirs. Rappelons que Mialy Rajoelina est la marraine de toutes les Maisons des Jeunes à travers Madagascar.

=========================

FIFANARAHANA FIARAHA-MIASA FIKAMBANANA FITIA/ORANGE/MINISTERAN’NY TANORA SY NY ALA-VOLY

TSINDRIO ETO RAHA HIAINO N KABARIN'i Rtoa RAJOELINA TAO VATOMANDRY


Trano ho an’ny Tanora (« Maison des Jeunes ») roa (02) ka ny iray Vatomandry ao amin’ny Faritra Atsinanana ary ny faharoa ao Fénérive Est, ao amin’ny Faritra Analanjirofo, no nahazo « Connexion Internet », ny Alakamisy 15 martsa, sy ny Zoma 16 martsa 2012 lasa teo. Izany dia vokatry ny tetik’asa novolavolain’ny Fikambanana FITIA tarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina, Filoha mpanorina no sady vadin’ny Filohan’ny Tetezamita. Tetik’asa hiarahan’ny Fikambanana FITIA miara-miombon’antoka amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Ala-voly, miaraka amin’ny fanohanan’ny Fikambanana Orange Solidarité Madagascar sy ny Fondation Orange izay nosoloin-dRamatoa Talen’ny Serasera ivelany eo anivon’ny orinasa Orange Madagascar, Ramatoa Josie Randriambeloma, tena.

TSINDRIO ETO RAHA HIAINO N KABARIN'i Rtoa RAJOELINA TAO FENERIVE-EST


Nasongadin’ireo rehetra nandahan-teny tamin’ireo toerana roa ireo, na ny Minisitry ny Tanora sy ny Ala-voly, Andriamatoa Tiana Jacques Ulrich, na ny Talen’ny Serasera ivelany ao amin’ny Orange, Ramatoa Josie Randriambeloma, fa tombony lehibe ho an’ireo tanora ireo no hahafahan’izy ireo mifanerasera amin’ny tanora maneran-tany. Ny teknolojian’ny Torohay sy Fifandraisana tahaka izao dia fitaovana iray mampandroso ny firenena, indrindra fa ny 60% ny mponina eto amin-tsika rahateo dia tanora avokoa.

Raha nandray anjara fitenenana kosa Ramatoa Mialy Rajoelina dia nanambara fa : « Ny fametrahana tetik’asa avo lenta tahaka izao dia porofon’ny fanomezan-danja ny sehatry ny tanora Malagasy, koa noentanin’ny Fikambanana FITIA izy ireo hikajy ireo fitaovam-pifandraisana napetraka tao Vohitsara (Vatomandry) sy Sahavola (Fénérive Est). Amin’izao vaninandro diavintsika izao,voalaza fa izay tsy mahay mampiasa solosaina na ‘’Ordinateur’’ dia toy ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra”.


Marihina fa raisin’ny Orange Madagascar ihany koa ny fampianarana ireo "Coach Multimedia" hanoro ireo tanora  amin’ny  fampiasana ny solosaina sy ny manodidina ny Internet.

HETSIKY NY FIKAMBANANA FITIA TAO VATOMANDRY SY FENOARIVO ATSINANANA

Ankoatra ny  fametrahana ny ‘’ Connexion Internet ’’ tao Vatomandry sy Fénérive-Est ,dia nanao fanampiana ara-tsosialin’ny mponina ny Fikambanana Fitia tarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina izay Filohan’ny fikambanana.

Ny Alakamisy 15 Martsa 2012 tao Vatomandry : notanterahin’ny fikambanana tamin’ny alalan’ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana,fanomezana fanafody ary vitamine, odi-kankana ho an’ny zaza. Marihina fa fokontany telo (03) no voakasik’io dia : Saint Augustin, Benambo ary Vohitsara samy ao Vatomandry avoko ireo.

Ny Zoma 16 Martsa 2012 tao Fénérive Est: izay toerana Faharoa nanaovan’ny Fikambanana Fitia ny asa sosialy tamin’ny Fokontany Roa (02) dia i Antanambao sy Sahaôrana, 3 Km mialoha ny hidirana ny Tanànan’ny Fénérive Est. Raha ny tao Fénérive Est dia saika samy Mpanjono sy Mpanarato avokoa ny asa ataon’ny Mponina.

Tamin’ireo faritra Roa (02) ireo; ary hita fa fianakaviana tena sahirana,nolazoin’ny aretina tao ahorian’ny fandalovan’ny Cyclone Giovanna farany teo. Nanjakan’ny valan’aretina samihafa toa ny tazo, ny fivalanana, ary indrindra koa ny harerahana.

Fa ny tena niavaka tao Vatomandry ny fisian’ny zaza vavy kely iray 10 taona tratry ny "hydrocéphalie" (fivontosan'ny loha noho ny rano ao anatiny), ka nandraisan’ireo Mpitsabo ao amin’ny Fikambanana Fitia fandinihina manokana ny hikarakarana azy io.

Nankasitraka izao hetsiky ny Fikambanana Fitia izao ireo mponina tamin’iny faritra roa ireo, noho ny tsy fahafahan’izy ireo manatona toeram-pitsaboana, eo ny fahalavitan’ny toerana fa indrindra ny tsy fananana vola amin’ny vidim-panafody.

Tsiahivina fa maimaim-poana avokoa ny fizaham-pahasalamana sy ny fanafody nentina nitsaboana tamin’ireo, satria  ny soa atao tokoa levenam-bola.

* Ireto avy ny fanomezana natolotry ny Fikambanana Fitia tamin’ireo toerana roa ireo :


- Kidoro (Matelas)

- Lay aro moka (Moustiquaires)

- Bassin de lit

- Koveta kely (Petites cuvettes)

- Fatana mandeha aminy solika (Réchauds à pétrole)

- Bodofotsy (Couvertures)

- Chaises roulantes

- Kilalao (Jouets)

- Vato mamy (Friandises)

FITIA COMMUNICATION – www.madagate.com

Mis à jour ( Vendredi, 16 Mars 2012 23:08 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024