Avia mankany avanana : ny Tale jeneraly Zafivanona Ernest Lainkana sy ny Minisitra Richard Andriamandranto
Mipetraka ho tantaranâi Madagasikara ity taona 2020 ity raha ny Fadintseranana no resahina, satria feno 200 taona aminâity taona ity izany sampandraharaham-panjakana. Notanterahina tao aminâny Carlton Anosy ny Talata 28 janoary 2020 ny fanamarihana sy fisokafanâizany fankalazana izany, izay natrehanâny minisitry ny Vola sy ny Toekarena Richard Andriamandranto, ary ireo mpiasa rehetra eo anivonâny Fadintseranana notarihanâny Tale jeneraliny Zafivanona Ernest Lainkana.
Â
Ny 26 janoary no fanamarihana eran-tany ny Fadintseranana. Ho fiatrehana ny 200 taona manaraka dia misy tetikâady efa voarafitra narosonâireo eo anivonâity Fadintseranana ity dia ny drafitra stratejika 2020-2023. Manana tanjona henjana sy lavitra ihany ny Fadintseranana : raha toa ka roa andro vao tafavoaka ny entana eo anivonâny seranana dia voafaritra ao anatinâity drafitra vaovao ity ny hatratrarana ny tanjona ho ora roa na telo dia tafavoaka izany.
Â
Eo koa ny lafinâny fifehezana ny mpiasa izay tsy voasarika aminâny kolikoly ny entana mandalo fitsirihana (Scan) dia kendrena ho ora valo hamoahana ny entana. Navoitry ny Minisitra fa ny famatsiam-bola izay hoentina aminâity tetikâasa ity dia hitombo avo arivo heny.
Tafiditra aminâny rafitra vaovao ny famatsiana fitaovana ampiasainâny mpiasa, ary eo koa ny hisianâny Akademian' ny Fadintseranana.
Andry Rakotonirainy