07 Febroary 2009-07 Febroary 2009. 11 taona izao no nisehoan'ny vono moka nataon'ireo mpiambina ny Lapan'Ambohitsorohitra nifitra tsy nampitadrina ireo mpitolona avy teny amin'ny Kianjan'ny 13 May ka tanam-polo sy Baiboly no novimbinan-dry zareo tsy nanam-po n'inona n'inona. Maro no naratra, nisy ny maty toa ny namana, Ando Ratovonirina, JRI (Mpanao gazety mpaka sary) tao amin'ny RTA, voatifitra teo amin'ny tendany.
Ny Tantara tsy fanadino ary tsy azo foronina indraindra fa avy amin'ireo olona tsy niatrika izany ady mahafaty izany kanefa ao amin'ny facebook miseho mahalala ny zavatra tsy fantany akory. Anisan'izany i Fleury Rakotomalala izay any Frantsa no monina ka manam-pahaizana manokana amin'ny fampiadiana ny samy Malagasy. Ho aiza eo anefa? Ny zanany ihany no hijinja ny nafafiny satria adinony fa fandalovana ny eto an-tany ka ireo horonan-tsariny feno lainga no ho lovain'ny taranany. Izay tsy nompainy no manenina. Manana havana daholo anie ireo olona ireo r'ingahy Fleury ary tsy hanadino koa e!...
Izay ny momban'iny olona tsy manjary iny fa ny eto amin'ny madagate dia zavatra nisy, misy ary hisy no apetraka ho lova ho an'ny taranaka malagasy tsy ankanavaka mba hanana ho avy vanona. Satria tokoa moa ho aiza izy ireo raha tsy mahalala ny Tantaran'i Madagasikara tena tsy misy lainga? Ity manaraka ity ary ny tenin'ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny 07 Febroary 2020 teo anoloan'ny tsangam-bato fahatsiarovana ireo maritiora namoy ny ainy ny 07 Febroary 2009.
Jeannot Ramambazafy
************
" 7 Febroary 2009 - 7 Febroary 2020. Raikitra ao an-tsaina, tsy afaka ao am-po ny kiakiaka sy tomany izay niseho teto amin'ity toerana ity. Manoloana an'ity Tsangam-bato ity isika androany, mahatsiaro manokana ireo 48 mianadahy nijoro noho ny fitiavana tanindrazana fa lavo kosa noho ny etraketraka.
Tsy ho raraka an-tany ny ain'izy ireny fa mahatsiaro an'izy ireo manokana isika androany, ary ao koa ireo izay mitondra takaitra, naratra. Mitondra am-bavaka manokana an'izy ireny izahay ary ny fianakavian'ireo izay namoy havana ihany koa.
Matoa isika mbola tafahoana sy velon'aina eto androany, dia misy adidy ho tanterahan-tsika ary tsy maintsy ho tanteraka ny hanavotra ny firenena, ny hampandroso an'i Madagasikara. Ny zavatra tiana ho lazaina dia izao : na dia fisaka aza ny marina, na dia aodinkodina aza ny zavatra nisy, Andriamanitra mahafantatra sy mahita ary mahatsapa fa tsy ao anatin'ny lainga no ametrahana ny marina.
Lasa iny omban'ny lasa. Fa ny ankehitriny kosa : matoa isika eto amin'ity toerana ity; matoa isika tafapetraka ao anatin'izao Lapa izao, misy antony izany. Raha tsy tian'Andriamanitra hanavotra ny firenena isika dia milaza aminareo marina aho fa mety hafa ny fitrangan'ny Tantara. Fa matoa isika miaraka mijoro eto androany, dia tsy ho raraka an-tany ireo izay aina nafoy teto amin'ity toerana ity.
Tsy anaiky ny apetraky ny fanakiviana isika, fa kosa hisikim-ponitra ary teny filamatra hatramin'izay dia hoe : hitolona ho an'ny Tanindrazana ary tsy maintsy ho avotra ny firenena. Mila mifanome tĂ nana isika, mila miray fo, miray saina ihany koa, ary isaorako anareo maro dia maro izay hitako eto, akanga sisa nanamborana, ianareo rehetra izay nijoro fa mijoro hatrany isika hanavotra ny firenena, tsy maintsy tafita i Madagasikara,
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy”.
Andry Rajoelina
Filoham-pirenena Malagasy
Antaninarenina, 07.02.020