]
Les quotidiens du 30 Jun 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation RN7 PK 186. Nandona mafy ny mpanohitra ny fisokafan'ilay tetezana vaovao ao Manandona

RN7 PK 186. Nandona mafy ny mpanohitra ny fisokafan'ilay tetezana vaovao ao Manandona

Tsotra ny anay ato aminy madagate ny famaliana ireo "mpanao politika" zatra mamita-bahoaka sy mamita-tena: soratana mazava ny tena marina amina tranga iray fa tsy mamorom-porona amin'ny alalan'ny fandisoana ankitsirano ny lalĂ na izay tokony mba atao teny malagasy vao hadika teny frantsay izay tsy voafehy akory.

Inona moa no lazain'ny andiny faha-61 ao amin'ilay Lalàna 2018-08 mikasika ny fifidianana sy fitsapan-kevim-bahoaka na "référendum" eto Madagasikara ?



Article 61 – Toute inauguration officielle est interdite pendant la durĂ©e de la campagne Ă©lectorale.
Amin'ny teny malagasy madio dia manome :

Andininy 61 – Voarara ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy mandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra.

Inona moa izany " fitokanana amin’ny fomba ofisialy " izany ? Lanonam-be ara-panjakana izany ary atrehin'ireo angady nananana sy vy nahitana nahavitana ny rehetra : ny Fanjakana, ny mpamatsy vola ary ny mpanamboatra. Misy ny hiram-pirenena ary misy ny fanapahana "ruban", ankoatra ireo kabary ifandimbiasan'ny solontenan'ireo voatanisa eo ambony.

Raha mikasika ny tetezana vaovao ao Manandona aloha dia tsy nisy ireo. FANOLORANA no niseho. Fanolorana foto-drafitrasa ho tombontsoan'ny vahoaka mampiasa iny lalam-pirenena faha-7 mankany Atsimo iny.  Anisan'ny fomba fampandrosoana ny firenena izany ary tsy hiandrasana "tralala" akory. Aleho ho an'ireo tsy nahavita na inona na inona ny fampifandraisana iny FANOLORANA iny amin'ny propagandy mikasika ny fididianana solombavam-bahoaka.

Fa izao no marina mikasika io tetezana Manandona io. Sokafo tsara ny masonareo mpamaky :
Ity tetezana ity dia iray amin'ireo tetezana afahana mandeha roa mifanatrika ("pont Ă  double voie") miisa valo (08) namboarina ary vita tao anatin'ny dimy taona (2019-2024) manerana ny Nosintsika. Ny tetezana Manandona dia iray amin'ireo tetezana efatra (04) amin'ny lalam-pirenena faha-7 (RN7), ka ny roa amin'ireo dia ao anatin'ny faritra Vakinankaratra izay mampifandray amin'ny tapany atsimon'ny Nosy iray manontolo. Izany hoe mampifandray ny Malagasy any atsimo sy ny Malagasy any avaratr'i Madagasikara.

Misahana ny fiovaovan'ny toetrandro koa ny PACT

Raha mikasika ny resa-bola indray dia famatsiambolan’ny Banky Iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa "PACT"  ("Projet d'Appui Ă  la ConnectivitĂ© des Transports" na Tetikasa fiantsoroana ny fifandraisana eo amin'ny fitaterana), izay nanampy ara-bola ireo asa fanarenana sy fanatsarana ny tetezana, taorian’ny nandalovan’ny rivo-doza izay nikasika ny RN7, ny taona 2023. Roa ambin'ny folo volana ny faharetan’ny asa,  eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.

Hoy indrindra, ny Ministry ny Asa Vaventy, ny Kolonely Ndriamihaja Livah Andrianatrehina io 15 May 2024 io teny an-toerana :

" Manao tohy vakana ny fahavitan’ny fotodrafitrasa goavana ao amin’ny Ministera hiadidiako ary vao vita tsy ela ny tetezana Mangoro. Amin’ity lalam-pirenena fahafito ity dia misy tetezana efatra natao tao anatin’ny 12 volana ary efa vita tanteraka izy rehetra ireo ka anisan’izany ity eto Manandona PK 186 + 100 ity, Ambohimandroso «PK 86», Iaritsena «PK 471» ary  farany any amin’ny «PK 730» izay misy fotodrafitrasa goavana dia goavana tahaka izao ary ankasitrahana ianao andriamatoa filoha manao ny ezaka hanatsarana ny lalam-pirenena eto Madagasikara " : hoy ny Minisitry ny asa vaventy, raha nandray fitenenana.


Raha mikasika ny Filoha indray dia miezaha, Tompoko, mijery ny vidéo, eo ambany, hatramin'ny farany. Dimy minitra ihany no faharetany. Izany no voarakitra an-tsary sy an-tsoratra, dia mahazo mitory ny Filoha Rajoelina ianareo fa hoe tsy manaja io andininy faha-61 io, ary mpiray tsikombalomba aminy ny Ceni, Hcc, eny hatrany amin'ny Banky iraisam-pirenena sy ny Firenena Mikambana, manina moa ?


Fa averiko : raha eo amin'ny sokajin'ny olona ambony sy mana-kaja -ankoatra ny manam-pahefana ao an-toerana kosa- dia ny Filoham-pirenena sy ny minisitry ny Asa vaventy ary ny minisitry ny fanajariana ny tany ihany no nanatrika io Fanolorana tetezana vaovao io. Tsy nisy solontenan'ny mpamatsy vola, tsy nisy hiram-pirenana, tsy nisy "ruban" notapahana.


Ary mino aho fa toa izany daholo no hitranga hatramin'ny faran'ity volana may ity : Fanolorana ho an'ny tombontsoan'ny maro an'isa.
" Calomniez ! calomniez ! a dit Basile, il en restera toujours quelque chose ". Signé Claude-François Denecourt (1788-1875), vétéran de l'armée napoléonienne.

ATO NY MANGARAHARAHA FA TSY TOA NY TEO ALOHA...

Fa ohatrina ? Rehefa mahay teny frantsay ianareo dia tokony hahay teny anglisy. Koa manasa anareo aho handika ireto manaraka ireto, avy amin'ny Banky iraisam-pirenena, dia aza manao alahelon-kanina fa tsy hisy vola voahodina toa ny taloha mihitsy akory satria vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika  :

" We know that investing in transport connectivity is key to expanding rural economies and improving rural livelihoods. We can see how the lives of citizens has changed, and several studies have shown the strong linkages between improved road and transport connectivity, and economic growth and poverty alleviation.

This is why the World Bank has decided to unlock investments in the sector, which have been ramped up significantly in the past couple years: the Bank roads and transport portfolio in Madagascar now stands at $740 million, with the Connectivity for Rural Livelihood Improvement Project ($140 million) approved in FY20, the Road Sector Sustainability Project - RSSP ($200 million) approved in FY21, and the Connecting Madagascar for Inclusive Growth Project ($400 million) approved in FY22 ".

Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis Ă  jour ( Dimanche, 19 Mai 2024 10:01 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...