Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA), 29 Janoary 2014. Tsy nanadino ireo havana malagasy avy any an-dilambato na Diaspora monina ao Frantsa fa dia tonga nanotrona sy nanome solon-dranom-boakazo ho an'ireo naratra nohon'ilay baomba nisy nanipy tetsy Anosy, ny asabotsy 25 Janoary 2014. Roa no maty ary mpirahalahy mbola zaza (Kzvin sy Andry izay nalevina ny 30 Janoary teo); efa ho dimam-polo no naratra.
F'inona marina no antony ary iza no tena naniraka ilay na ireo olona nanipy iny fitaovam-piadiana mahafaty iny ? Tsy maintsy ho tratra, anefa, na ho ela na ho aingana. Niniana tsy nasiana ny anaran'ireto havana Diaspora France ity lahatsoratra ity satria tsy dokam-barotra akory izy ity fa vonjy havana ao anatina fahasahiranana tsy roa aman-tany. Misaotra betsaka ry zareo, ho an'ireo olona tsy manan-tsiny efa miady amin'ny fiainana, kanefa dia lasibatr'ireo maty eritreritra tanteraka satria manono mpiray Tanindrazana. Ho an'iza moa ny "tombontsoa" amin'izany ?...
Jeannot Ramambazafy
Sary : Harilala Randrianarison, Haja Randria
Â