]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos SARIVONGANA MAHALIANA HAMARANANA ITY TAONA 2022 ITY AM-PITSIKIANA

SARIVONGANA MAHALIANA HAMARANANA ITY TAONA 2022 ITY AM-PITSIKIANA

Afaka ora vitsy sisa dia hivalona tanteraka ny taona 2022 ka tsy hiverina intsony.

Ny mahay mampijaly tena ihany no mbola hijaly hitanisa izao fahoriana rehetra izao toa hoe rahampitso dia hilentika any anaty ranomasina ny Nosy Madagasikara iray manontolo. Izay tokoa angaha ilay hoe : mora no maty fa sarotra ny miaina ? Azy ireo ny azy fa nandalo teto an-tany namela resa-ketotra fotsiny ihany dia lasa tsy misy mahatadidy intsony. Levona tanteraka hatramin’ny anarana (indrindra ireo manadino ny anarana nomen’ny ray aman-dreniny azy fa kanosa velona miafina amina anaram-bosotra mampiseho ny fahalemeny.

Tsy izany ny aty aminay izay mamela Tantara tsara, marina sy mahafinaritra ho an’ny taranakay sy ny taranaka malagasy handimby antsika mbola velonaina amin’izao fotoana izao.

Voleo any amin’izay misy anareo any ny krizinareo fa aoka ny hafa hifaly sy hiravo. Ary aza fatra mandainga amin’ny fizotran’ny fiainana : lanja miakatra izy io fa ny foto-pisainan’ireo tompon-dakan’ny « Fake news » (vaovao tsy marina iniana aparitaka amin'ny tanjona hanodinkodinana na hamitahana ny vahoaka) no mirefarefa amin’ny tany.

2023 ? Raha akarinao ny fitiavan-tanindrazanao, raha mahay mihaino ny hafa sy mitady vahaolana ianao rehefa misy tranga manahirana fa tsy miandry ny hafa hatrany, dia toa ahy ianareo : hahatra ny 68 taona niainana eto an-tany (in-dimy niditra hopitaly, in-droa nodidiana); tsy manofa trano; miasa tena (izany hoe tsy misy oram-piasana vonjena) ary miriorio miaraka amin’ny zanaka aman-jafy.

Mety hilaza ny sasany : « Ka ianareo manana ». Eny, Tompoko. Nanana finiavana ny hiova teo amin’ny fotoana tokony niovana, ka tsy nanary ny Finoana sy ny fatahorana an’Andriamanitra hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny vola amiko dia fitaovana ihany fa tsy tarigetra.

Tsy manana izany fiara izany aho; tsy manana izany « compte en banque » izany. Fa tsy mijaly satria mahay miaina fa tsy mahay mampijaly tena.


Ny tsiambaratelo ? Eo amin’ny famakiana Baiboly, Tompoko, izay tsy avilivily hevitra fa arahina araka izay voasoratra, toa ireto manaraka ireto :

« Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midÏra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao ». Matio 6 : 6.

« Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo ; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy ». Matio 6 : 34 (‘ጀρÎșΔτ᜞Μ Ï„áż‡ áŒĄÎŒÎ­ÏáŸł áŒĄ ÎșαÎșία Î±áœÏ„áż†Ï‚')


Ny fehiny kosa ? Aza miandry tra-pasahiranana vao mahatsiaro ny fisian’Andriamanitra. Tezera fa aza manota ka rehefa misy ny disadisa (tsy maintsy misy io) dia aza miandry ny hiposahan’ny masoandro vao mahita vahaolana fa hitarika tsy hisy farany izany ka hanimba ny fiarahamonina iray manontolo. Mahaiza manetry tena ary mahaiza manda rehefa tsapanao fa hiteraka zava-doza ny hanaovanao eny.

Farany : ny famelan-keloka tsy midika fanadinoina. Kanefa halaviro ny valifaty.

Jeannot RAMAMBAZAFY - Faran'ny taona 2022 - Ny sary rehetra dia nalaina tany Etazonia

Mis Ă  jour ( Samedi, 31 DĂ©cembre 2022 06:55 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...