]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Richard Ramanambitana. Ny adidy tsy an’olon-dratsy… Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, 13 septambra 2024 SARY 1

Richard Ramanambitana. Ny adidy tsy an’olon-dratsy… Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, 13 septambra 2024 SARY 1

Iza amintsika olom-belona no mahasahy milaza fa tsy ho faty ? Ao no maniry izany ho an’ny hafa, toa milaza fa tsy ho faty mihitsy ireny olo olom-poana ireny. Samy handao ity tany fandalovana ity isika tsy ankanavaka, n’aiza n’aiza misy ny tsirairay eto an-tany, f’aza maika.

Tsy hoe satria any ampita any ianao no monina dia tsy ho faty. Ny fomba sy fotoana no tsy misy mahalala fa tonga toa mpangalatra ny fahafatesana. Na olo-marina ianao na olona tsy manjary dia tsy maintsy hiala ety an-tany. Ny fanontaniana dia izao : inona no mba lova havelanao ho an’ny taranakao, ho an’ny ankohonanao, ho an’ny firenenao ?

Nandao antsika Andriamatoa Richard Ramanambitana. Vita ny anjaram-piainany tety an-tany. Zandriko 15 taona izy ary tsy nihaona mihitsy izahay na dia iray segondra aza. Kanefa olom-pirenena izy ary izaho mpanao gazety. Loholona amina sary sy/na vidéo no nahitako azy. Voatendry Psd ho an’Antananarivo izy, ary tsy maintsy noresahina izany.


Nisy fotoana -telo volana teo- no tsy nahazoana vaovao intsony ny mikasika azy. Tsy ela ireo tsy manjary fa dia nampiseho ny tsy fahavanonany. Matoa ianareo ireo maty eritreritra dia efa maty izay no dikany. Tsy hisy halala fa ny adalanareo ny ho lovain’ny taranakareo izay nozoninareo.

Ny 13 septambra 2014, tonga ny vaovao fa nodimandry Andriamatoa Richard Ramanambitana ny alin’ny 12 septambra. Nipetraka indray ny fanontanian-draolombelona : fa naninona ? Tsotra : tonga, Tompoko, ny fotoana nandaozany ity TANY FANDALOVANA ity ! Ary raha mitombo ny taonan’ny tsirairay dia manakaiky koa izany fotoanan’ny tsirairay amintsika, handaozana ity Tany ity. Ny ora sy fomba hampitsahatra ny fon-tsika no tsy misy mahalala.

Angony daholo ny tianareo hangonina fa ny fahafatesana tsy ho voavidim-bola na manana 100.000.000.000.000 miliara dôlara aza ianao io matahotra sahady io ! Ny fehiny ? Manaova ny tsara hatrany, ary mahaiza mitia izay fiainana narafitrao ho an’ny taranakao fony ianao mbola velona.

Hoy indrindra ny Papa Ray Masina François, ny 12 septambra 2024, tamin’ny nanaovany fitsidihina apostôlika tany Singapour, mikasika ny Fitiavana :


« (…) Raha misy tsara sy mitoetra eto amin’izao tontolo izao, dia satria ny Fitiavana no nandresy ny fankahalana, ny Fitiavana no nampandresy ny firaisankina eo anatrehin’ny tsy firaharahiana, ny Fitiavana no nampandresy ny fahalalahan-tànana eo anatrehin’ny fitiavan-tena. Raha tsy nisy ny Fitiavana dia tsy nisy olona afaka nanangana renivohitra goavam-be teto.

Tsy hisy velively zava-maharitra teraka sy mitombo ho azy eo raha tsy mitoetra ny Fitiavana.

Indraindray, ny haavony sy ny halehiben'ny tetik’asantsika no mety hahatonga antsika hanadino izany ; mahatonga antsika hino fa isika irery ihany no naha izy antsika, eo amin’ny lafin’ny harentsika, ny fahasambarantsika…. Saingy ity fiainana fandalovana ity ihany no mampahatsiahy ny fiafarana marina : raha tsy misy Fitiavana dia tsinontsinona isika (…) ».

Eto, Tompoko, dia tsotra ny ahy : rehefa mino an’Andriamanitra tokana sy iray, rehefa mino ny fitsanganan’ny fanahy -fa tsy ny nofo- dia Kristianina no anarany. Na Katôlika, na Protestanta, na Advantisa, na Loterana… Iray ihany ny Baiboly.


Vita ny asan’Andriamatoa Richard Ramanambitana tety. Nahita ny zafikeliny izy. Izany no fahasambarana. Ka ho an’io zafikeliny io, sy ny ho avy no nanaovanay madagate adidy, fametrahana raki-tsary (nalaina ny 13 Septambra 2024, tao amin'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo) ho an’ny taranaka malagasy iray manontolo manambara fa nisy izany RAMANAMBITANA RICHARD izany.

Mandria am-piadana ianao, Honorable.

Nanoratra : Jeannot Ramambazafy

Sary : Harilala Randrianarison

Lapan’ny Tananan’Antananarivo, 13 Septambra 2024


Mis à jour ( Samedi, 14 Septembre 2024 11:41 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30