Efa taminâny taona 1980 izaho, Jeannot Ramambazafy, no mpanao gazety. Asa nianarako io ary tsy mila hivalaparako eto (satria tsy tia mi-zesta aminâizany resaka mari-pahaizana izany aho), fâefa taminâny Amiraly Didier Ratsiraka, Filoham-pirenena, aho no mankeny Iavoloha rehefa misy raharaham-panjakana ilaina mpanao gazety ny eny. Ny taona 2002 moa dia izaho irery ihany no mpanao gazety nentinâny Filoha Ravalomanana tao Joahnnesburg nanatrika ny «World Summit on Sustainable Development», taminâny anaranâny gazety Madagascar Tribune.
Santionany fotsiny io taminâny 2002 io ambony io, 21 taona lasa izay. I Guy Francis no nampianarako mandefa vaovao mivantana aminâny alalanâny telefaonina ary miala vola am-paosy, tao Afrika atsimo. Tadidiny tsara izany. Niainako daholo ny fotoan-tsarotra nandalovanâity firenena ity : 1972 (mbola mpianatra aho), 1991 (efa mpanao gazety ary saika maty tany Diego), 2002, 2009. Fa ny tiako hisarihina ny sainareo mpamaky dia niainako daholo ireo fitondrana rehetra taorianâny Filoha Philibert Tsiranana. Averika eto : efa nanomboka taminâny fitondranâny Filoha Ratsiraka aho no efa mpanao gazety. Inona moa izany hoe MPANAO GAZETY Izany ?
MPANAO GAZETY. Ny dikany aminâny teny malagasy dia izao : Ny mpanao gazety dia olona manangona na mikaroka, manamarina ary manoratra ary avy eo mizara vaovao amin'ny karazana media rehetra. An-tsoratra izany (gazety taratasy na aminâny Internet), na an-bava (radio) na aminâny fahitalavitra (televiziona). Mikasika ny soratra telo loko, anjaranareo no mandika. Aiza no dia hamaky fotsiny ?
Raha izaho manokana moa, efa voaporofo izany ny maha mpanao gazety matihanina ahy efa 40 taona mahery izao, ary tsy misy izay tsy mahalala, hafa tsy ireo jamba sy marenina fa tsy maty am-bava, mihevitra fa « bandy kely mpisolelaka » aho. Ry mahay vava tsy mampandroso na ny tenany aza ! Mpikambana ao aminâny CJD (« Club des Journalistes Doyens de Madagascar ») aho ary mpaka vidĂ©os ho anâny tantaranâi Madagasikara (ny Youtube aminâny anarako ATO, dia misy vidĂ©os miisa 4.500 mahery ary abonnĂ©s 14.400 mahery, ka manaova raha mahay).
Fa raha mikasika anâity hoe Gascar Fenosoa ity indray moa, manakory marina ? Nikaroka aho, araka ny tokonâny ataonâny mpanao gazety matihanina. Koa aleho aminâizay fantatrareo ny marina momba azy, eo anatrehinâity asa masina ity. Fa dia manahirana ity zandriko 25 taona mahery ity nefa miseho azy tena « dadany ».
Ny taona 2015 tany izy no niarakaraka tamina mpanao gazety ; miara-maka sary fa ny tena hoe gazety niasany tsy hita soritra loatra. Ny mikasika ny fanabeazany moa dia azo atao hoe lavorary satria nanao « scout » izy. « Vikiviky manentana » no fiantsoana azy izao. Nisy izany ny filaminana, fandaminana, ny fanajana ny hafa ary, indrindra indrindra, ny fatahorana anâAndriamanitra.
Nanampy izany ny fahaizany mikabary. Efa fony 15 taona izy no nianatra io kabary malagasy io ary 16 taona izy dia efa nahafehy ny kabary am-panambadiana. Nisy ny fidiram-bola afahana mamelona zanakolona atsy ho atsyâŠ
Fa ny nipoirany kely teo aminâny tontolonâny haino aman-jery dia tao anatinâny « Groupe RLM Communication » natsanganâi Mbola Rajaonah ny taona 2016. Maro ny ankizy -eny na ny sasany nilaza azy ho kalaza- niditra tao. Izany « Groupe RLM Communication » izany dia nisy ireto manaraka ireto : « La DĂ©pĂȘche », « La Ligne de Mire », « Le Citoyen », « 24h Mada », « La Chasse Info », « Triatra », « RTN », « AZ Radio & TĂ©lĂ©vision », « On Air Radio », « On Air Tv ». Asa raha misy adinoko fa orinasa goavana eo aminâny haino aman-jery teto Madagasikara e ! Tsy olana mihitsy ny vola taminâizany satria nalaza nalala-tĂ nana ingahy Mbola, saingy tsy nitandrina loatra aminâireo nilaza fa « namany » izyâŠ
Tao aminâny « On Air Radio » (FM 100.6 niova 100.8 taty oariana) aloha i Gascar no nanolotra sy namelona fandaharana (« animateur dâĂ©mission ». Tsy nisy resaka hoe « fanaovan-gazety » mihitsy satria io radio io dia natokana ho anâny mpihira sy ny hirany fotsiny ihany. 100% hits (« hira malaza »).
Na izany aza, nanomboka teo dia nisalotra ny anarana hoe « mpanao gazety » i Gascar Fenosoa. Taranja tsy nianarany io « journalisme » io fa nianarany am-pandehanany (« sur le tas ») eny. Rehefa toa izany dia tsotra : na ratsy na tsara ny « mpampianatra ». Ary dia sendranâolona be kajy i Gascar Fenosoa Mandrindrarivony. Izay no anarany feno.
Nitsangana ny « On Air Tv » ny taona 2018 ary dia nipoitra ny « ON Air Magazine » natokana ho anâny mpamakafaka ara-politika (« analystes politiques ») toa anâItompokolahy Maurice Tsihiavonana sy ny rahalahiny Harifidy Ramanandraibe izay mpanao gazety « nomade », satria niasa tao aminâny « Free Fm Radio », « Space Radio », « I-BC Radio ». Tsara sa ratsy ny fampianarana azonâi Gascar taminâizy mirahalahy ?
Sarotra no mamaly izany fa ny zava-nisy sy misy dia mifindrafindra matetika ry zareo fa ny nampalaza anâItompokolahy Maurice Tsihiavonana dia tao aminâny « Radio Tsioka Vao », na RTV FM 100, niaraka tamin-dry Pamphile Rambelo (nijanona any Frantsa hatraminâizao) sy Pierre Holder (minisitra aminâizao fotoana izao). Nazava ary matihanina ny fomba nanaovanâireo telolahy ireo famakafakana satria misy fandalinana, fikaroana mazava, porofo, ary rafitra maty paika. Mpanao gazety e !
Fa hatreo aloha dia fikabariana ihany no tena fidiram-bolanâi Gascar satria tsy hita nisongadina misy ny lehilahy teo aminâny sehatrâizany fanaovan-gazety izany. Eto aho dia mampiseho anareo taiza ary aminâny fomba ahoana no nifanatrehany taminâAndriamatoa Andry Rajoelina voalohany indrindra. Sary telo ihany, ireo ambany ireo, ny 1 aogositra 2018 teo aminâny tokontanâny Lapanâny Fanatanjahantena ao Mahamasina.
Tonga tao an-tokonâny « Palais des Sports » i Gascar (manao "blouson marron"), tsy misy stylo an-tĂ nana, tsy misy fakan-tsary na camĂ©ra fa dia mira olona hitsikilo ireny.
* * * * *
Teo anelanelanâizany moa nanangana ilay hoe « Real Tv » i Onitiana Realy, ary namorona ny fandaharana « LâInvitĂ© du Jour » izay kapoka iray taminâny fandarahana « LâInvitĂ© du Zoma » tao aminâny Tv Plus. Io ambany io ny firafitrâizany fandaharana izany.
Ny maha « dadany » anâireo fandaharana noforoninâi Onitiana Realy (CEO) ireo dia izao : mandoa vola amina tapitrisa izay miakatra ao. Ary ireny tapatapahana ireny ny teninâolona. Izany fomba tsy mendrika izany anisanâny nolovainâi Gascar tokoa. Tsy fahalalam-pomba izany manapaka teninâolona izany. Adino teo ny fomba fiainana tsara nianarana tany aminâny « scouts ».
Fa ny mampalahelo (fa tsy loza) aminâi Gascar, izay sahy mitono-tena « solontenanâny vahoaka », dia ny fanontaniana izay niala avy aminâireo mankahala anâi Andry Rajoelina, no naverimberiny. Hita taratra sy mibaribary izany taminâny fandaharana farany nisy azy, ny alahady 16 Jolay 2023. Rehefa jerena tsara dia izy miondrikondrika io mamaky izay fanontaniana napetraka taminâny Filoha Rajoelina. Resaka izay hita ao aminâny facebook daholo.
Taminâizaho nanao fikaroana mombanâi Gascar Fenosoa Mandrindrarivony, ao aminâny google dia zendana aho fa ery ambany, eo aminâny hoe « recherches associĂ©es » (fikaroana fanampiny) dia mipoitra eo ny anaranâi Fanirisoa Ernaivo izay vao avy nasainy ny 7 Jolay 2023, tao aminâny « LâInvitĂ© du Jour ». Ny tsy fahalalam-pomba faratampony nataony io 16 jolay 2023 dia taminâny resaka « caution » aminâny fifidianana Filoham-pirenena ho avy. Avy hatrany ny lehilahy dia hoe « fanilikiliana kandida », nefa tsy nisy nanome fitenenana azy ary ny Filoham-pirenena mbola teo am-pitenenana. Ho atao video moa iny ampanahy iny, sy ny hafa, ho rakitry ny Tantaranâi MadaâŠGascar.
Mikasika ny fomba amam-panao nataonâi Gascar taminâiny Alahady 16 Jolay 2023 iny dia nasianâny namana Michel Ralibera, ao aminâny « Radio Antsiva FM 97.6 », teny mihitsy ny mombanâity miseho azy « mpanao gazety ity. Ampahanâny fandaharanâny « Radio Antsiva », taminâny vaovaonâny Alatsinainy 17 Jolay 2023 atoandro : « (âŠ) Isika dia nampianarina ihany anie taminâitony sehatry ny fanaovan-gazety itony, ny aminâny fomba firesaka, na ny fihetsiketsiky ny tĂ nana, ny aminâny hoe tsy tokony hihaotra ny 10 santimetatra akory, tsy mihoatra ny saoka ny faampiasana ny fanetsiketsehana io tĂ nana io, rehefa mba miresaka amina olona, na iza olona resahinaž na iza olona resahina. Fa eo ihany koa anefa ny fampiakaram-peo satria tsy mpaneho hevitra, tsy mpitondra ny hevitrao izany ianao any anatinâny fanaovan-gazety fa dia tena mitondra tokoa ny hoe : inona no tokony ho resahina nefa tsy avoakanâny olona izay anontaniana. Ny fahaiza-manao anâizany, izany, no andrasanâny rehetra. Fa ny mpanao politika moa miandry ny hoe : misy tokoa ny mpanao gazety manana fahasahisahiana tahaka izany dia asaâŠAny sisa ny adihevitra eto amintsika hoe : inona no mivaingana, ao anatinâilay izy ny hoe : ny mpanao gazety tena nahasahisahy ary mety miteny mihitsy hoe mitatrevatreva amina tomponandraikitra ambony eto aminâny firenena, dia izay izany no heverina fa hoe izany no tena izy, ary izany no tokony tena endriky ny adihevitra mitranga eto aminâny firenena. Fa eo ihany koa anefa no miandrandra ny Filoham-pirenena dia sahy hamaly ary aminâny fomba endritrendritra sy mety hifanohitra aminâny fanevatrevatrevahana ihany koa, mamaly aminâizany ary mety hifandona mivantana aminâizany mihitsy aza, aminâilay mpanao gazety, dia izay no mampitehaka matetika ao anatinâilay adihevitra. Izany hoe tsy dia tena ilay mankany aminâilay adihevitra andrasanâny rehetra ve ny zavatra norenesina sy nandrasana fa niondana any aminâny hoe fahaizanâi anona sy ny fahaizanâi anona aminâny famelivelezana ato anatinâizay rehetra izayâŠÂ ».
Fa omen-tsiny ve i Gascar Fenosoa Mandrindrarivony raha tao anatina 10 taona (2012-2022) dia niakatra tampoka ny fari-piainanâizy telo mianaka ? Dia izy Gascar sy Malantoniaina, vadiny, ary AnaĂ«lle zanakâizy roa. Tsy misy fidirako aminâny fiainany manokana (« vie privĂ©e ») izany fa hita ao anaty Facebook daholo ireo sary sy anarana ireo.
Mitandrema ihany ry bandy kely fa ny taranaka no hitsara anao ao aoriana ao. Mihezaha fa tsy amina vola maloto kosa. Mihevitra ianao fa tianâolona, tianâny « vahoaka ». Rebirebenâilay mpitsara voaraoka amina resaka 14.000 mpijery. Mivadikondana izy. Fa na dia nisy aza ny « sabotage » fanapahan-jiro, iny alahady 16 jolay 2023 iny, an-tapitrisa ny Malagasy eto Madagasikara no nahita sy nandre iny fandaharana iny. Ary mbola afaka jerena foana. Tsy fantatrâity mpitsara voaraoka ity mihitsy -satria nanompa ny mpitandro filaminana malagasy, miseho fara-tampo-pahaizana akory- fa 30.359.370 ny Malagasy monina eto Madagasikara, nisainâny Firenena Mikambana, taminâny Talata 18 jolay 2023 teo. Aman'hetsiny ny Malagasy nahita iny fandaharana iny.
Nitaizanao taminâny tsara ny reninao ry Gascar Fenosoa. Fa mifohaza aminâizay satria toa adinonao fa « Ny vola fitady ny herim-po fanary ». Ka mba fidifidio ihany ny namana indrindra rehefa handany ny efa hary. Ary tongava saina ry Gascar fa ny nenina anie any afara handatsa e ! Hatreto aloha tsy fanaovan-gazety no ataonao fa manao sorona noho resa-bola tsy hitondra mankaiza, ka adino hatraminâny teny ao anaty Baiboly. "Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!" (Marka 10:25).
« Fampisehoana an-dapihazo goavana izao fiainana izao » («la vie est un grand thĂ©Ăątre »), hoy MoliĂšre. Kanefa, aza manaiky dokafana (dia maninona moa ?) fa tokony mba « rĂ©aliste » ianao. Fantatro fa i Gilbert Raharizatovo no fitaratrao. Mahery ny fomba fiteniny fa mitombona. Jereo io vidĂ©o ambony io. Ny anao vonovorona no betsaka satria tsy matihanina ianao, ary ny masonao toa ireny kary miandry remby ireny. Alainao am-bolony daholo izay tianâny mpanome vola tenenina. Ary dia tratra farany foana ianao.
Farany amin'izay : miverina aminâny lohateninâity lahatsoratro ity aho : Aza misalotra ny asa masina tsy voafehy fa maha be fahavalo. Ny olona tiana no anarinaâŠ
Jeannot Ramambazafy â 19 Jolay 2023