]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Ambilobe. IEM: teny hieràna, soso-kevitra iarahana ary vahaolana avy amin’ny Malagasy ifotony

Ambilobe. IEM: teny hieràna, soso-kevitra iarahana ary vahaolana avy amin’ny Malagasy ifotony

Ambilobe, 9 Marsa 2018. Ny fahatongavan'ny Filoha Andry Rajoelina tao amin'ny toerana nanaovana ny dinika sy nifampizarana ireo olàna ary soso-kevitra

Eo ankavian'ny sary: ny Ampanjaka Tsimiaro III (Issa Alexandre) arahin'i Augustin Andriamananoro izay nanatrika ny Fisehagna tamin'ny taona 2009, fony izy minisitra (Tsindrio eto)

Tao Ambilobe izany ny dingana voalohany nosafidianan’ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, hanazavana ny IEM any ifotony.

«Napetraka sy najoro ny IEM mba hitondrana vahaolàna sy fampandrosoana ao anatina fotoana fohy, ahatratrarana ny tanjona sy ny vina amin’ny fahataràna misy an’i Madagasikara izay lasa firenena mahantra faha-5 maneran-tany», hoy ny Filoha Andry Rajoelina, mpanorina ny IEM na «Initiative pour l’Emergence de Madagascar», raha nanokatra ny fandraisam-pitenana teto Ambilobe ny tenany.

Nahavory ireo olo-be, tompon’andraikitra sy mpandraharaha ara-toekarena, ary ireo tanora manampahaizana ity fihaonana ifotony natao tao amin’ny Faritra DIANA/Distrika Ambilobe, izay avy niara-nankalaza ny Fety ny 8 martsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy maneran-tany (Tsindrio eto).

TSINDRIO ETO

Tsy adinon’ny Filoha Andry Rajoelina ny nampita harany ny hafatra avy amin’i Ramatoa Mialy Rajoelina vadiny, sady Filoha voafidin’ny vovonana PAESFA («Pan African Ethanol Stoves and Fuel Alliance» na Fivondronana Afrikana hametrahana ny tetikasa fananganana ny Orinasa hamokatra ny angovo fandrehitra Ethanol). Io Ethanol io, izay miala avy amin’ny fary na «canne à sucre», dia hasolo ny arina saribao, ary hanova ny fenitra hikajiana ny tontolo iainana ihany koa, no sady hanome asa maro ho an’ny mponina eto Ambilobe afaka volana vitsy.

Nisy ny fifampizarana ireo olàna ary soso-kevitra avy amin’ny mpandray anjara tamin’ity dinika voalohany ity. Misy eto Ambilobe avokoa na ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, ny tany mahavokatra fary, ary ny ranomasina ahitana ireo haza andranomasina maro karazana.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 10 Mars 2018 14:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety