]
Les quotidiens du 27 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Victor Georges Andriananjason. Fihaonana tamin'ireo Mpanao Gazety Zokiolona (CJD)

Victor Georges Andriananjason. Fihaonana tamin'ireo Mpanao Gazety Zokiolona (CJD)

Io ambony no atao hoe « Selfie » e ! Izany hoe izaho Jeannot Ramambazafy ihany no naka ny sary miaraka amin'i Victor Georges Andriananjason. Mba miaina amin'ny teknolojia vaovao e!


Lanonana nokarakarain'ny Ambasadaoro Blaise Rabetafika (eo ankavanana indrindra) tany New York. I Sylvain Ramambazafy, somary takona, dia eo aorian'ny Minisitra Christian Rémi Richard. I Sylvain, na koa Bibi (tao amin'ny Olympic Club de Tananarive -OCT- notarihin'Itompokolahy Rakotoarivony), dia niasa tao amin'ny CINU ("Centre d'information des Nations Unies") teo Antsahavola, alohan'ny nahavoatendry azy ao amin'ny "Centre d'actualités"-ny ONU ao New York, niara-niasa tamin'i Victor-Georges Andriananjason.

Ny taona 2013 izaho sy Victor ny nihaona farany tany New York. Izy moa dia niasa nandritra ny 30 taona mahery tao amin’ny foiben’ny Firenena mikambana (ONU) any ary ny zokiko, Sylvain Ramambazafy, dia anisan’ireo niara-niasa taminy tao nandritra ny folo taona.

Victor Andriananjason sy Adama Ouologuem, mpanao gazety avy any Mali miasa any Washington

Jeannot Ramambazafy sy mpanao gazety avy amina firenena samihafa mampiasa ny teny frantsay iasana sy ifandraisana


Ny 25 septambra 2012 dia izahay mirahalahy no nisolo tenan’i Madagasikara tamin’ny fanomboahana ny asa ao amin’ny hoe « Centre de la Presse Francophone de New York », 801, Second Avenue - suite 605, NY City. Tsy misy tsy mahalala i Victor raha mbola eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety any amin’ny Bekintana e ! Satria na dia olona tsotrasy tso-piainana izy, dia ao aminy ny fandavan-tena ary ny fitiavan-tanindrazana.

Mandalo eto an-tanindrazana izy ka tao amin’ny foiben’ny CJD («Club des Journalistes Doyens» na fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona –fa tsy beantitra !) ao aminy "Au Bon Accueil" etsy Ambatonakanga no nihaona taminay izy, ny zoma 18 Mey 2018. Rehefa nandeha teo moa ny fahatsirarovana samihafa sy ny resaka dia nanome toro-hevitra izy mikasika ny famatsiana ara-bola raha te-hamokatra boky. Satria tokoa mantsy, mikasa hamoaka boky indray mandeha isaky ny enim-bolana ny CJD. Tokony nisy efa nivoaka tamin’ny 3 Mey, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Fahafahan’ny fanaovan-gazety, teo fa tsy tratra noho ny antony maro samihafa.

 

Miaraka maka sary i Victor sy Jocelyn Rafidinarivo (Jean-Louis Rafidy) izay niasa ela ihany koa tao Etazonia, tany Washington no marimarina kokoa

 

Io ny vokatry ny sary fahatsiarovana miaraka, nokalian'i Armand Andrianasolo tsara mihitsy. Izay no mahatonga azy tsy eo anilanay

Mandalo eto an-tanindrazana izy ka tao amin’ny foiben’ny CJD (« Club des Journalistes Doyens » na fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona –fa tsy beantitra !) ao Ambatonakanga no nihaona taminay izy, ny zoma 18 Mey 2018. Rehefa nandeha teo moa ny fahatsirarovana samihafa sy ny resaka dia nanome toro-hevitra izy mikasika ny famatsiana ara-bola raha te-hamokatra boky. Satria tokoa mantsy, mikasa hamoaka boky indray mandeha isaky ny enim-bolana ny CJD. Tokony nisy efa nivoaka tamin’ny 3 Mey, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Fahafahan’ny fanaovan-gazety, teo fa tsy tratra noho ny antony maro samihafa.

Ary ilay boky notontosainy tamin’ny taona 1970 tany no nalaina ohatra.

Misy hilaza fa tsy mitovy ny tamin’izany sy ny amin’izao fotoana izao. Marina tokoa satria tsy nisy solosaina, tsy nisy Internet, tsy nisy fakan-tsary nomerika tamin’izany. Ary lafo tokoa, hatramin’izany vanim-potoana izany, ny manonta boky. Dokam-baotra no any nafahan’i Victor namoaka io boky asehoko eto. Tany Alemana izy tamin’izany fotoana izany no niasa ary Victor Andria no nahafantarana azy. Ary nifanerasera tamina olo-mpanjakana sy olo-malaza eto Madagasikara sy maneran-tany tokoa izy.

Voafehiny ny teny frantsay, ny teny alemà ary ny teny anglisy. Fa ilay boky notontosainy dia amin’ny tenin-drazana ary « machine à écrire » no nampiasaina tamin’izany. Ireo atolotro ho anao mpamaky ny takelaka rehetra izany boky izany. Tena nampiakatra avo ny voninahitry ny firenena i Victor. F’iza moa no mba ahatsiahy ?

Fa ao anatin'izany rehetra izany, tsara ny mampahatsiahy fa namoaka boky amin'ny teny Alema i Victor, mitondra ny lohateny hoe: « Im Lande der Malagasy ». Tsindrio io sary eo ambany io ho an'izay mahay miteny ny fitenin'i Goethe


Jeannot Ramambazafy

****************************

Nahavariana ny namana Jean de Dieu ilay bokin'i Victor

Liana dia liana amin'ilay boky ny namana Arsène Ralaimihoatra

Fa liana torak'izany koa ny namana Rabefananina

Voatahiry tsara ity boky ity. Tadidio fa 40 taona mahery izay ny lasa fa dia io ambony io ny fonony ary manaraka ireo takelaka miisa 16 miaraka amin'ny fonony farany. Deraina i Victor Georges Andriananjason satria tena rakitra ho an'ny taranaka tokoa ity navelany ity

Tsiahiviko eto fa ireo filohan'ny Alemana roa hita ao anatin'ity boky ity dia toa izao ny momba azy:

Karl Heinrich LĂĽbke dia Filohan'ny Repoblika Federalin'ny Alemana (RFA) teo anelanelan'ny taona 1959 sy 1969. Nodimandry izy ny taona 1972.

Gustav Heinemman dia Filohan'ny RFA teo anelanelan'ny taona 1969 sy 1974. Ny taona 1976 izy no nodimandry

Mis Ă  jour ( Mardi, 22 Mai 2018 15:25 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA