Noho ny aretina nahazo azy dia nodimandry tao aminâny hĂŽpitaly miaramila (HOMI) Soavinandriana, ny Alarobia 4 Jolay 2018, teo aminâny faha-56 taonany i Lantomalala Rasata, mpanao gazety ao aminâny TVM (Televizionina Malagasy).
Mpanao gazety matihanina vita fiofanana tany aminâny Firaisana Sovietika (URSS teo aloha) izy. Ny taona 1990 izy no nanomboka niasa tao aminâny haino aman-jerim-panjakana TVM ary anisanâireo mpanao gazety nisahana ny fanatanjahantena (« journaliste sportif ») izy.
Fa isanâireo mpanao gazety nanokatra ny Radio Tsioka Vao (RTV) ihany koa i Lantomalala Rasata taminâny taona 1991-1993. RTV izay nahenona an-dry Pierre Holder, Pamphile Rambelo ary Maurice Tsihiavonana izay vao nodimandry ny 2 Jolay 2018. Tao i Lantomala dia nampiofana tanora naniry ho mpanao gazety. Teo anelanelanâny taona 2014 sy 2016 dia Talenâny Tvm i Lantomalala Rasata.
Ny Sabotsy 7 Jolay 2018 izy no navelina ao aminâny fasan-drazany ao Anjomakely Manelo Lalam-pirenena faha-7. Aminâny alĂ lanâny anarako dia miara ory aminâny fianakavianâi Lantomalala iray manontolo ny madagate.org.
Mandria am-piadanana zandry.
Jeannot Ramambazafy
+++++++++++++++++++++++