]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Le Président Andry Rajoelina: discours du 31 décembre 2013

Le Président Andry Rajoelina: discours du 31 décembre 2013

KABARY FARAN’NY TAONA 2013, NATAON’NY FILOHAN’NY TETEZAMITA

ANDRY NIRINA RAJOELINA

Antananarivo faha-31 Desambra 2013

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana Namana manerana ny Nosy,

Afaka ora vitsy dia hivalona ity taona 2013 ity.

Koa midera sy misaotra an’Andriamanitra isika, nitantana sy nitsinjo ny diantsiaka tsirairay avy.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

31 Desambra 2013.

Ity no faran’ny taona fahadimy sady farany iarahantsika ato anatin’ny Tetezamita.

Nandritra izay taona rehetra nodiavina izay, dia tao ny mafy sy ny mafaitra, fa tao ihany koa ny soa sy ny tsara, ary ny mamy sy ny nahafinaritra.

Marina fa ny “Fisedràna” no maha olombelona ny olombelona.

Ny “fisedràna” ihany koa anefa no nitarika antsika nankany amin’ny “Fahamatorana” sy ny “Fivoarana”.

Lalan-tsarotra ary be fandripandrika hatrany, no nodiavina hatramin’ny andro androany, saingy nitafy “Herim-po” sy “Herin-tsaina” ary “Herim-panahy” isika, mba hahatratrarana ny tanjona rehetra izay napetraka.

Nametraka fanamby tokoa isika, ary tratra ny tanjona.

Tsy nanaiky ho resin’ny fanakiviana sy ny fanatsatsoana.

Ary ny Malagasy dia miandrandra hatrany ny fandrosoan’ ity nosy malalantsika ity.

Ry Malagasy Namana,

Tontosa soa aman-tsara ny Fifidianana izay ho Filoham-pirenena sy ny Fifidianana ny ho Solombavam-bahoaka.

Misaotra ny Olom-pirenena tsirairay ny tenako satria tao anatin’ny Fitoniana, Fahamendrehana, Fahamatorana ary Filaminana tanteraka no nanatanterahana izany.

Isaorana ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpitandro ny filaminana.

Nijoro ianao ry Malagasy ary nandray andraikitra, satria ianao no manapaka ary ianao no mandidy!

Efa mipetraka ny fototry ny Repoblika faha-efatra ary io lalàm-panorenana io no ho hifehy ireo Mpitondra vaovao ho avy ka hanaovany fianianana sy ho hajainy.

Noho izany dia hifarana ny Fitondrana Tetezamita mba hahafahantsika mandroso ka hidirana any amin’ny Repoblika vaovao.

Tompkolahy sy Tompokovavy,

Sarobidy loatra ny safidim-bahoaka koa hanaja sy hankatoa izany isika.

Aoka izay ny fanakorontanana.

Ampy izay ny fampisaraham-bazana.

Havalony im-pito mandifotr’olona ny finiavana hampiady ny samy Malagasy.

Nisikina herim-po sy nampiseho fandeferana ny Malagasy, ka ny “Firaisankina” sy ny “Fitiavan-tanindrazana” no natao ampinga niarovana toy ny “anakandriamaso” ny “Firaisam-pirenena”, nandritra izay Tetezamita izay.

Efa ho dimy taona izao no nandefitra ny “maro an’isa”, noho izany, tonga izao ny fotoana hanajàna ny safidiny.

Ry Malagasy Namana,

Araka ny efa nambarako roa taona lasa izay, dia apetrak’Andriamanitra eo anoloan’ny “Safidy” hatrany isika, izany hoe :


* “Hisara-bazana isika sa Hiray hina?”

* “Hifankahala sa Hifankatia?”

* “Hifandrafy sa Hifandray tànana?”

* ary “Hamotika sy Handrava sa Hanorina sy Hanamboatra?”

Amiko, taonan’ny firaisankina, fifanomezan-tànana, fanorenana ary indrindra indrindra, taonan’ny fifankatiavana, no handrandraintsika amin’io taona ho avy io.

Satria, ny fitiavana no lehibe indrindra !

Noho izany, mino sy matoky ny tenako fa ny Malagasy hitsena ny taom-baovao 2014 ity dia :


* Malagasy mifankatia,

* Malagasy miray hina,

* Malagasy mifandray tànana,

* Malagasy vonona hanorina sy hanamboatra “Fiaraha-monina Vaovao sy Madagasikara Vaovao”

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Hifarana àry ny Tetezamita.

Efa teny nomeko, ary fampanantenana nataoko, fa vonona hanao famimdram-pahefana amin’ny fomba Demokratika, ny tenako.

Koa amin’ny foko manontolo no anolorako fankasitrahana sy fisaorana mitafotafo ho an’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka.

Fisaorana noho ny fifampitokisana!

Fisaorana noho ny fahadiovam-po!

Fisaorana noho ny fifandeferana!

Fisaorana noho ny firaisankina!

Fisaorana noho ny fitandroana ny Fihavanana Malagasy!

Ry Malagasy tsy vaky volo manerana ny Nosy,

Eto am-pamaranana, dia mitodika sy mahatsiaro manokana an’ireo izay tsy salama ny tenako, ary koa ireo kamboty tsy fidiny tamin’ity taona ity, ireo rehetra tsy misy mpiahy, ary koa ireo Malagasy namako rehetra ao anatin’ny tebitebin-tsaina sy fangirifiriana noho ny antony maro samy hafa.

Mitsidika anareo isam-baravarana ny tenako ary mirary koa raha mirary, faran’ny taona feno fitoniana sy fitokisana ny Ho Avy, ka mba ho ampitso mamiratra sy feno hafaliana, ao anatin’ny fahasalamana sy fahombiazana tanteraka anie, no miandry antsika rehetra.

Ary mirary koa ny soa sy ny tsara indrindra, ho an'ny isam-batan'olona sy ny ankohonona tsirairay avy. Ary ho tanteraka anie ny fanirina sy ny fikasana rehetra.

Mitsodrano antsika Malagasy Namana rehetra manerana ny Nosy ny tenako mba hitsena ny taom-baovao 2014 ao anatin’ny “fitonian-tsaina” ary “fanantenana”!

Ho tanteraka anie ny sitram-pon’Andriamanitra!

MASINA NY TANINDRAZANA !

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy !

Andry Nirina Rajoelina

Filohan’ny Tetezamitan’i Madagasikara


********************************************************


TRADUCTION LIBRE


Malagasy, mes amis compatriotes à travers la Grande île

Dans quelques heures, l’année 2013 fera à jamais partie du passé.

Louons et remercions le Seigneur, d’avoir accompagnés et guidés les pas de chacun d’entre nous.

Mesdames et Messieurs.

31 décembre 2013.

C’est le terme de la cinquième et dernière année de la Transition que nous vivons ensemble.

Durant toutes ces années traversées, nous avons vécu de rudes et éprouvantes épreuves. Mais, malgré tout, nous avons également eu des moments bénéfiques et heureux.

Il est vrai que ce sont les épreuves qui font que l’être humain en est un.

Et ce sont ces épreuves qui nous ont amené vers la maturité et l’émancipation.

Jusqu’en ce dernier jour, nous avons suivi une route jalonnée de pièges en tous genres. Cependant, nous avons revêtus le manteau du courage, de la volonté et de la force de l’âme pour surmonter les pièges, et nous sommes parvenus à atteindre les objectifs que nous nous sommes fixé.

Car ayant effectivement relevé des défis, nous avons pu et su atteindre les objectifs souhaités par la majorité des Malagasy: le développement de notre chère île.

Malagasy mes Amis,

L’élection présidentielle et les élections législatives ont été organisées à la date indiquée comme prévu.

Je remercie, ici, tous les Citoyens Malagasy, car ces élections se sont déroulées dans un climat empreint d’humilité, de sagesse, de maturité et de paix.

Je remercie également les responsables à tous les niveaux, sans exclusive, ainsi que tous les membres des Forces de l’ordre.

Citoyens Malagasy, vous vous êtes manifesté et vous avez pris vos responsabilités car vous êtes les vrais dirigeants et décideurs de la Nation.

Les bases de la IVè république ont été établies avec la nouvelle Constitution qui régira les futurs dirigeants et sur laquelle ils prêteront le serment de respecter cette loi fondamentale.

Cette cérémonie de prestation de serment mettra un terme au régime de Transition, et nous entrerons de plain-pied dans une nouvelle république.

Mesdames et Messieurs,

Le choix du peuple étant sacré, nous avons le devoir de le respecter et de l’accepter.

Il est grand temps de cesser de semer troubles et désordre.

Il faut que cesse ces idées de nous diviser, nous Malagasy.

Comme on le dit en malagasy : enrouler sept fois le manteau de la volonté de nuire à l’unité des Malagasy.

Les Malagasy ont fait montre de patience et de retenue, privilégiant l’Unité et le Patriotisme durant toute cette Transition.

La majorité a démontré sa grande humilité depuis ces 5 dernières années. Le moment est donc venu de respecter son choix.

Malagasy mes Amis,

Comme je l’ai déjà dit, il y a deux, ans, Dieu nous a mis face aux choix suivants :

* Allons-nous nous désunir comme le sable ou nous unir telle un rocher?

* Allons-nous nous haïr ou nous aimer?

* Allons-nous nous serrer les poings ou nous tendre et prendre la main?

* Allons-nous détruire et ruiner ou construire et bâtir?

Pour ma part, la nouvelle année qui pointe à l’horizon, les synonyme d’Unité, d’Entraide; une année d’amour mutuel que nous attendions depuis longtemps.

Parce que l’Amour est la chose la plus grande! (entre la Foi et l’Espérance)

C’est pourquoi je reste convaincu et persuadé que les Malagasy qui accueilleront ce nouvel an 2014 seront:

* Des Malagasy qui s’aiment,

* Des Malagasy unis,

* Des Malagasy qui se tendront et se donneront la main,

* Des Malagasy prêts à construire et bâtir une société nouvelle dans un nouveau Madagascar.

Mesdames et Messieurs,

La Transition arrive à son terme.

Comme j’en ai donné ma parole et l’ai promis, je suis prêt à effectuer la passation de manière démocratique.

Et c’est de tout mon coeur que j’adresse mes félicitations et mes remerciements à tous les Malagasy sans exclusive.

Remerciements pour la Confiance mutuelle!

Remerciements pour la Clarté du coeur!

Remerciements pour l’Abnégation!

Remerciements pour l’Unité!

Remerciement pour le respect du “Fihavanana Malagasy”!

Malagasy issus de toutes les régions de la Grande île,

Pour conclure, je me tourne vers ceux qui ne sont pas en bonne santé; vers les orphelins malgré eux de cette année passée; vers ceux qui n’ont aucun soutien moral, matériel et financier; et aussi vers tous mes Amis Malagasy qui vivent dans l’anxiété et la crainte pour diverses raisons.

Je suis venu rendre visite à chacun de vous et je vous souhaite sincèrement une fin d’année emplie de sérénité et de confiance en l’Avenir. Et qu’un lendemain étincelant et souriant, dans la bonne santé et une pleine réussite, nous attende tous.

Je souhaite également bienfaits et bonheur à tout un chacun et sa famille respective. Que tous les souhaits et les projets soient accomplis.

Je vous souhaite, à vous tous, mes Amis Malagasy à travers la Grande île, d’accueillir la nouvelle année 2014 dans la Paix de l’esprit et l’Espoir !

Que la volonté de Dieu soit faite !

LA PATRIE EST SACREE !

Mesdames et Messieurs, je vous remercie !

Traduit par Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mardi, 31 Décembre 2013 17:48 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...