]
Les quotidiens du 28 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Rolly Mercia. Ny teny leitsy toa salaka, ka atsaharo ny famonoana ny asan-gazety!

Rolly Mercia. Ny teny leitsy toa salaka, ka atsaharo ny famonoana ny asan-gazety!

ETO NY VIDEO

«Ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony», hoy ny ohabolan’ny Ntaolo iray izay. Mbola ampiako amin’ny hoe : «Ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra».

Manoloana ny finiavan’i Harry Laurent Rahajason na koa Rolly Mercia, minisitry ny Serasera, hamotika ny tontolon’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara noho ny antony roa (fanompoana ny Hvm sy fitiavam-mbola fa tsy fitiavana an’i Mbola) diso fantatra loatra, dia aleho ho fantatrareo mpamaky tsotra sy ireo mpanao gazety novolavolaina hankahala mpiray tanindrazana sy hamafy lainga nefa tsy ho voasazy raha mbola eo izy, dia ity ny teniny nataony ny 26 Jona 2014, tao amin’ny radio Free FM 104.2 rehefa tsy tafiditra ao anatin’ny governemantan’i Kolo Roger izy.


Tsipihina fa Tale jeneralin’ny Groupe Medias (La Vérité, Ao Raha, Matin) ao anatin’orinasa Sodiat izay tsy iza fa i Mamy Ravatomanga no Filoha-Tale jeneraly. Tsara ho fantatra izany satria rehefa avy nanenjika an’i Hery Rajaonarimampianina sy ny Hvm (devoly) izy dia i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga -nanasoa azy na tiana na tsia- indray ny nataony lasibatra.

Izany fanenjehana tsy dia mari-pototra loatra dia amin’ny alalàn’ireo gazety ao anatin’ilay orinasa RLM Communications etsy Ankorondrano, vatsian’i Mbola Rajaonah vola (Le Citoyen, La Ligne de Mire, Triatra, La Chasse Infos, 24h Mada). Fa taty amin’ny mpanao gazety zokiolona moa ry zalahy ireo no nitonantonana fanoratra dia izao ny vokany: miahaka tanteraka ny toetran’i Rolly Mercia noho ny nataony ihany. Aiza ve dia ny zavatra nataony sy noteneniny indray no ho rarany ary hanasaziana mpanao gazety amin’ny fanetsehana ny tribonaly? Miampy izany ny fanampenam-bava amin’ny alalan’ny fanakatonana haino aman-jery sy ny tsy hanomezana karatra ireo mpanao gazety manao ny «interpellation», ny manao «critiques» (vakio tsara ny filazany momba ireo) satria dia lasa tsy gazety indray ny ao amin’ny Internet toa ity madagate.org ity. Misy tsy milamina mihitsy ny ao an-tsainay ao. Marina moa…

Ny Filoha Rajaonarimampianina mihitsy aza no miaiky fa ny mpitondra dia mandalo fotsiny ihany ka inona no ho ataon’io Rolly Mercia io rehefa injay tsy filoham-pirenena intsony i Hery vaovao sy ny Hvm ka tsy maintsy hovana daholo ireo fepetra rehetra mamono ny fanaovan-gazety sy ny tena fahalalana maneho hevitra eo amin’ny tany sy firenena? Ka mandrapahatonga izany fotoana izany, izay tena hanaovan’ny mpanao gazety matihanina lanonambe dia ireto ny teny re ao amin’ny video mirakitra ny fandaharana tao amin’ny Viva Tv, ny zoma 15 Desambra 2017.


Rolly Mercia tao amin’ny radio Free FM 14.2, ny 24 Jona 2014:

« Sahala amin’ny tenako: aleho dia ny tenako mihitsy no resahiko. Iza moa izao no afaka hilaza hoe tsy mba niasa mihitsy ity Rolly Mercia ity tamin’ny fampandaniana an’ity Rajaonarimampianina ity? Inona izao ny heloka mba nataoko tamin’izany Hery Rajaonarimampianina izany? Kanefa dia resaka moa izany: io dia izao satria hoe miaraka amin’i Andry Rajoelina. Izay izany ny heloka natao: miaraka amin’i Andry Rajoelina. Izay fotsiny ihany ny heloka natao izany amin’ireo ka rehefa izany: na niasa io na tsy niasa io nandritra ny telo taona naha minisitra azy, na niasa be ary io nanao ilay propagandy, tsy ilaina io fa mandehana mandeha any. Ary tsy vitan’ny mandehana mandeha any fa fanaratsiana sy fanenjehana ohatra ny tena indray no devoly. Dia manontany aho amin’izao fotoana izao satria volana vitsy vitsy izay no ntitsanganan’ilay governemanta sy dimy volana teo no nitondran’ilay Rajaonarimampianina ny firenena : iza izao ny tena devoly? Manontany an’izany no mahatonga hoe mba tonga amin’ izay ny fotoana isehoana tsindraindray, hiresahana satria manana adidy ny tena. Ny firenena tsy avela fotsiny entina antokon’olona any anaty hady ohatran’izany, na inona ny toerana misy azy.

Zon-tsika olom-pirenena tsotra, zon’ny mpanao gazety ny manao ny «interpellation», ny manao «critiques» sy ny rehetra ka tsy miambahamba no manao izany. Ho an’izay tsy mahalala: ao anatin’io prezidansy io mantsy misy gasy voatonga, tsy ain’ny inona ny fomba taloha tany ataon’ny mpanao gazety sy rehetra rehetra ato amin’ity firenena ity, dia mbola manamafy izahay fa an an an tsy vao izao no nanaovana izany fa efa hatramin’izay no nanaovana izany, raha vao misy ny mibolila dia manitsy isika ary manitsy amin’ny fomba mivantana, tsy miambahamba ary zavatra marina no resahina ».

Tsy nenjehin’i Vonison Andrianjato, minisitry ny Serasera tamin’io fotoana io, izy. Fa ity farany moa no nipoiran’ilay lalàna mamono ny asan-gazety eto Madagasikara («Loi n°2016-029 portant le code de la communication médiatisée») ary nijanona nanaraka ny foto-pisainana Hvm hatramin’ny farany. Izany hoe mandrapa voadaka azy rehefa vita no nilana azy, ny tapaky ny volana avrily 2017. Ny nenina aoriana no mandatsa azy izao … Nefa tena mba niady mady ho an’ny fitondrana Hvm anie ity Andrianjato ity tamin’ilay fandaharahana hoe «Ady Gasy» tao amin’ny Tvm e!


Ny 13 Desambra 2017 dia namoaka fanambarana amina teny frantsay be diso (io ambony io) i Rolly Mercia, izay tafaverina minisitra ny 20 avrily 2017, fa misy, hono, mpanao gazety manararaotra ny fahafahany maneho hevitra («liberté de presse et liberté d’opinion») ka tsy fotoanan’ny fampitandremana intsony izao fa anjaran’ny fitsarana amin’izay ny miditra an-tsehatra, hanasazy ireo izay misy mitory. Izany hoe ny «délit de presse» tsy mampigadra dia hivadika ho «délit de droit commun» mampigadra sy mampandoa lamandy tsy toko tsy foroana. Tavela teo ny «raha vao misy ny mibolila dia manitsy isika ary manitsy amin’ny fomba mivantana, tsy miambahamba ary zavatra marina no resahina». Mora amin’ny mpitsara sasany ny mamadika ny zava-drehetra ho lasa «atteinte à la sûreté de l’Etat» sy «atteinte à la vie privée» toy izay manjo an’i Stefano amin’izao fotoana izao, nefa resaka sary namboarina no nataony. Tena mahafaty tokoa ny ambom-po diso toerana e!

Ka dia miankina amin’i Rolly Mercia sisa ny ho tohiny. Tokony tsy ho adinony fa amin’ny maha mpanao gazety matihanina nandritra ny 33 taona ahy, dia manana «bala» maro aho hanazavana ny sain’ny rehetra…. Ka tsotra ny toro-hevitro: atsaharo ny fankahalana fahatany noho ny fitiavam-bola diso tafahoatra; hatsaharo ny famonoan-tena ara-politika ary hatsaharo ny famonoana ny asan-gazety eto Madagasikara. Manaova izay hilaminan’ny fifidiana ny filohan’ny Holafitra (OJM) vaovao tsy asiana fikafika mampisara-bazana ka terena hanana foto-pisainana Hvm daholo ny mpanao gazety rehetra. Ny vola be tsy hentina any amin’ny Mausolée velively fa ny taranaka foana no ho rakotry ny henatra sy ny ozon’ny vahoaka. Raha minia manohy moa dia manasa tanàna aho, eny na dia any am-ponja aza. Misaotra mialoha. Ity misy soso-kevitra: aza asiana fifidianana fa mpiasan’ny Tvm na Rnm tendrena PDS’ny OJM e! Fa ny anay dia ATO ny hevitray.

Jeannot Ramambazafy – 16 Desambra 2017

ETO NY VIDEO-NY FANDAHARANA TAO AMINY "AOKA HAZAVA" RADIO VIVA FM 98.8 TAMIN'NY ALATSINAINY 11 DESAMBRA 2017

Mis Ă  jour ( Dimanche, 17 DĂ©cembre 2017 07:53 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...