]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Zafy Albert. Tafaverina an-tanindrazana izy fa handao antsika indray ka tsy hiverina intsony

Zafy Albert. Tafaverina an-tanindrazana izy fa handao antsika indray ka tsy hiverina intsony

Ivato, 14 Oktobra 2017. Tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ny nofo mangatsiaky ny Profesora Zafy Albert, Filoham-pirenena teo aloha (1993-1996) izay nodimandry tatsy amin'ny Nosy La RĂ©union, ny Zoma 13 Oktobra atoandro.

Tonga nitsena sy nanome voninahitra izany fahatongavana izany ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.

Hita teny an-toerana ihany koa ireo Filohan’ny Andrim-panjakana amin’izao sy teo aloha, ny Filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka mivady, ny sokajin-kerim-politika maro samihafa ary ireo fianakaviana.



Rehefa avy nanaovana ny fomba rehetra fanomezam-boninahitra ny Filoham-pirenena teo aloha rehetra rehefa modimandry dia nihazo avy hatrany ny trano fonenany eny amin’ny Villa «La Franchise», ao Ivandry, ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert sy ireo rehetra nitsena azy teny Ivato.



*************



Toa izao ny fandaharam-potoana izay nomen’ny fianakaviany:

- Alin’ny 14 oktobra 2017: nandrasana tao amin’ny trano fonenany ao amin’ny Villa «La Franchise», Ivandry, ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha, ny Profesora Zafy Albert. Ny fiaretan-tory dia natokana ho an'ny fianakaviana ihany.

- Alahady 15 oktobra 2017: fotoam-pivavahana ao amin’ny EKAR Antanimena izay tarihin’ny Mgr Odon Marie Arsùne Razanakolona. Aorian’izay dia entina avy hatrany ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny nofo mangatsiakan’ny ny Profesora Zafy Albert, ho vangian’ny Malagasy tsy vaky volo ka hisy ny fiaretan-tory amin'izany.

- Alatsinainy 16 oktobra 2017: fivavahana firaisam-pinoana. Vita ny fotoam-pivavahana dia hizotra mianavaratra ny razana ka hiazo an' Ambilobe amin'ny alalĂ n'ny fiara (fa tsy fiaramanidina) vao handeha any Betsiaka toerana nahaterahany.

- Sabotsy 21 oktobra 2017: andro hanitrihana ny nofo mangatsiakan’ny Profesora Zafy Albert any amin'ny fasan-drazany any an-toerana.

Jeannot Ramambazafy 15 Oktobra 2017

Mis Ă  jour ( Dimanche, 15 Octobre 2017 07:46 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...