]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Association FITIA & SMM ADSF : nitondra ankizy marenina nilalao teny amin’ny Parc Sam Run

Association FITIA & SMM ADSF : nitondra ankizy marenina nilalao teny amin’ny Parc Sam Run

TSINDRIO ETO RAHA HIJERY SARY MIISA 100 MAHERY

Tontosa soa aman-tsara ny 18 jolay 2012 ny famaranana ny taom-pianarana ho an’ny SMM ADSF (Sekolin’ny Marenina Madagasikara) etsy Andohalo, izay sekoly ambaratonga voalohany ho an’ny ankizy marenina. Ny “Association Fitia” no nikarakara sy niantoka ny lany rehetra nandritra io fotoana io.

TSINDRIO ETO RAHA HIJERY VIDEO AMIN'NY TENY MALAGASY

Fivoahana tao amin’ny toeram-pialam-boly Sam Run tsy Anosizato no natao, ka sady famaranana ny taom-pianarana no fanomezana fahafinaretana ho an’ireo ankizy marenina ihany koa, tamin’ny alàlan’ireo kilalao fialam-boly samihafa.

TSINDRIO ETO RAHA HIJERY VIDEO TENY FRANTSAY

Nandritra io fotoana io dia nisy ny fizarana ny filazam-pahaizana ho an’ireo mpianatra sy ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpianatra mendrika. Ny kilasy 11è hatramin’ny 8è, miampy ny kilasy manokana no nanatrika ny fotoana, fa ny kilasy 7è kosa mbola manomana ny fanadinana CEPE.

Nasaina manokana hanatrika io fotoana io ihany koa ny mpianatra 11è hatramin’ny 8è avy amin’ny AKA.MA (Akan’ny Marenina)izay mpiara-miasa akaiky amin’ny SMM ADSF. Niisa 70 eo ho eo ireo ankizy marenina rehetra naira-nialavoly sy nanatrika ny fotoana ka ny 26 no avy ao amin’ny SMM ADSF ary ny sisa dia avy ao amin’ny AKA.MA.

Zava-dehibe eo amin’ny fibeazan’ny ankizy marenina tokoa ny fifaneraserana eo amin’ny samy ankizy marenina. Isaorana ny “Association Fitia” noho ny fitiavana manokana ireo ankizy marenina. Ny ankamaroan’izy ireny mantsy dia avy amina fianakaviana sahirana ary tsy mba afaka mandeha amin’ny toerana fialam-boly toy ny “Parc Sam Run”.

Sary: Harilala Randrianarison – www.madagate.com

Mis à jour ( Vendredi, 20 Juillet 2012 04:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...